La santé n’est plus un bien pour les malades indigents. Dans une situation comme celle de Madagascar où règnent la misère et la corruption la lutte pour la survie n’est pas du tout un choix pour eux. Heureusement pour eux, des structures et des personnes favorables à leur cause existent. En fait, celles-ci cherchent aussi bien à les venir en aide d’une façon ponctuelle qu’à répondre à des défis d’une manière pérenne en vue d’humaniser le monde de la santé.
version française
Tsy mizaha tavan’olona ny aretina. Hoy ny ohabolan-drazana: “Tsy misy tsy te ho Rasalama fa tsy avelan’ny aretina tsy harary.” Arakaraka ny fahafahany sy ny fahareseny lahatra no iatrehan’ny isam-batan’olona ny aretina. Misy akony amin’izany koa ny tontolom-piainana aman-kolon-tsaina misy azy. Lafiny sasantsasany momba ny zava-misy ara-pahasalamana amin’ny Faritr’i Mahatsiatra-Ambony, aty Madagasikara no hovisavisaina izao.
«Ny aretina raha amidy», hoy ny fitenena hanamarinana ilay fanao mahazatra anambarana amin’ny be sy ny maro aretin’ny tena. Ny hampandraisana anjara azy ka iangaviana azy koa amin’ny fikarohana ny fanafody sahaza no kendrena amin’izany. Tena mbola lavitr’ezaka izany fahasarotam-piaro iarovana ny fiainan’ny tena manokana izany aty.
Am-bentintenin’ireo mpanentana ao amin’ny radion’ny Diosezin’i Fianarantsoa ny mampirisika ny olona hanatona mpitsabo rahefa marary mba hahazoana ny fitsaboana sahaza, saingy tsy misy andro mihiratra tsy idiran’ny mpihaino mivantana ao amin’ilay fandaharana “Antsihitany”; angatahany na anomezany toro-hevitra amin’ny fanafodin’ny aretina izato na izaroa. Fanafody araka ny nentin-drazana no ifampizarana amin’izany mazana. Saika tsy azo antoka na oviana na oviana anefa ny fatra tena izy. Fanao mahazatra ny olona koa ny mamonjy mpitaiza na mpitondra fivavahana lazaina ho mahavita fahagagana. Maro amin’ireo marary tonga amin’ny tobim-pahasalamanay no efa ambavahaona satria mbola nentina tetsy sy taroa aloha. Ankasitrahan’ny olona kokoa ny tobim-pahasalamana tantanan’ny Eglizy, noho ny kalitaon’ny tolotra sy ny fandraisana tsara ary indrindra koa ny sarany tsy dia lafo loatra, raha mitaha amin’ny tobim-pahasalamana miankina amin’ny Fanjakana. Marary maro avy any an-tanana sy ny tanana hafa manodidina no manao tsy omby aloha manantona anay. Indrisy fa mba manana ny fetrany koa ny tobim-pahasalamanay; tsy ny aretina rehetra manko voatsabo eo aminay ka voatery mandefa ny marary any amin’ny hôpitalim-panjakana izahay. Tsy fidiny ho an’ny olona mazana ny tsy maintsy andehanany any.
Mahalasa saina izany: Mitombina ve izany toe-javatra izany amin’ity tany nisy razana efa nanambara ny lanja sy hasin’ny aina raha nanao hoe: “mamy ny miaina”; “angady tokana ny aina, ka rahefa tapaka tsy azo atohy intsony” sy ny hoe: “ny fahasalamana no voalohan-karena”...?
“Tsa misy rano tsa te ho agn’andriaka fa lahatsa ro iaviany agn’andolagna” hoy ny Betsileo milaza ny tsy fahafahany manoatra. Akory hatao? Noho ny fahantran’ny olona manko, ilay fahasalamana noheverina fa harena ho an’ny isam-batan’olona sy ny daholo be dia zary aingitraingitra. Fahantrana maro lafy no mifandafatra amin’ny ankamaroan’ny olona. Tsy vitan’ny hoe andoavam-bola ihany anefa ny fahafaha-mitsabo tena eto Madagasikara fa tena lafo dia lafo ho an’ny fahefa-mividin’ny olona. Rahefa tsy manam-bola dia maty tsotra izao. Noho ny hanoanana sa noho ny aretina? Tsy maninona fa ny maty mitovy ihany.
Tokoa ny hoe: “aleo maty rahampitso toy izay maty androany.” Koa raha tsy maintsy hisafidianana ny hoe hamonjy dokotera sa hisakafo dia ny hihinana, satria mbola te hiaina, no hatao laharam-pahamehana. Amin’ny fomba ahoana? Aiza? Enga anie mba ho tsara vintana izy.
Toa tsy laharam-pahamehana arak’izany ny fahasalamana ho an’ny sarambabem-bahoaka. Angamba koa aza ho an’ny mpitondra nampihena ny volana natokana ho an’ny fahasalamana tamin’ny teti-bolam-panjakana ho an’ny taona 2017. Ny mahagaga anefa rahefa marary izy ireo dia tsy mba mamonjy akory ireo lazainy fa “hôpitaly môderna” fa avy hatrany dia lasa manidina makany dilambato.
Mampitombo isa ny olona mila fitsaboana ny fihanaky ny tsy fandriam-pahalemana. Noho ny halaviran-toeran’ny tobim-pitsaboana afa-mandray, dia tsy mandeha ho azy ny fahafahana tonga any ara-potoana. Manampy trotraka ny tsy fisiana na haratsian’ny lalana. Ary na dia ho tonga any ara-potoana aza, indrindra amin’ireo tobim-pahasalam-bahoaka, dia nofinofy izany hoe hanana fitoniana noho ny antony samy hafa: tsy fandraisana tsara, fahalotoana, tsolotra, ...
Fahita ny marary efa voasoratra ao amin’ny rejistra saingy manjavona tsotra izao. Tsy afa-mahaloa na ny sara-pitsaboana voalohany manko izy ireo. Amin’ny tobim-pahasalamam-bahoaka iray, alohan’ny hizahan’ny dokotera mpiandry raharaha ny marary dia tsy maintsy mividy hatramin’ny taratasy hanoratana ny mombamomba azy sy ny aro-tanana avy hatrany izy. Avy eo, vao ny fanafody voasorany. Loza ho an’ny vahiny tsy mahalala izay atsimo sy avaratra satria tena tsara afina ny tobim-pivarontam-panafody ka tena sarotra hita raha tsy misy olona tsara sitrapo manampy. Izay marary hiatrika hôpitaly dia tsy maintsy mivatsy hatramin’ny lambam-pandriana fa raha tsy izany dia voatery handry amin’ny farafara mihanjahanja sy maloto. Hatramin’ny mpandio trano avy anie ka mangataka “solon-tsavony”...
Maro ireo mpilatsaka an-tsitrapo voasarika hanome tanana hiasa amin’ny tobim-pahasalamana miankina amin’ny Eglizy. Fitsimbinan’Andriamanitra ho an’ny madinika tena ho tsy afa-mahazo fitsaboana na oviana na oviana ny fahatongavan’izy ireny. Hipoka olona mifanitsa-kitro ny tokontan’ny tobim-pahasalamanay amin’ny fotoana amitan’izy ireo iraka. Na dia izany aza, voafetra ihany koa ny azo atao. Mitaky finiavana amin’ny rehetra ny fahatomombanan’ ireny iraka ireny. Tsy mora manko ny manao soa ny fanaovana ny soa.
Mba misy ihany mpandraharahan’ny fahasalamana miezaka ho marina na any amin’ ny tobim-pahasalamam-bahoaka aza. Tsara ny mahalala sy mifandray amin’izy ireo mba hahafaha-miatrika arak’izay azo atao ireo fanambin’ny tontolon’ny fahasalamana. Izany indrindra no namoronana ny Kômisiôna Diôsezianina momba ny Fahasalamana. Voasolotena ao daholo manko ireo Mpandraharahan’ny fahasalamana avy amin’ny tobim-pahasalamana miankina amin’ny Eglizy, ireo mpiasam-panjakana ary koa tsy miankina, entanim-pinoana sy/na ny sitrapo tsara.
Ny fivoriana tamin’ny 3 desambra lasa teo, ohatra, dia nahafahana tokoa nifampizara sy nifanohatohanana. Nivoitra ny tokony hanaovana laharam-pahamehana ny fanabeazana ny ankizy sy tanora na dia eo aza ny tontolo matroky ny fahasalamana. Ho hetsehina arak’izany ireo olon’ny Kômisiona hirotsaka ifotony: paroasy, sekoly ary fikambanana masina, ...
Ilaina fandinihana tsara ilay volavolan-kevitra hanokafana Sekoly hanofanana Infirmiera sy Mpampivelona. Miroborobo hatrany ny fisokafan’ireo Sekoly tsy miankina manofana ho Infirmiera sy Mpampivelona etsy sy eroa. Marina fa mameno ny filana mpitsabo izay tena mbola tsy ampy isa izy ireny. Saingy manao ahoana kosa ny kalitao? Dia hitaza-potsiny ve ny Eglizy? Inona no mba anjara biriky entiny?
Version française
L’environnement et la culture dans laquelle elle se trouve y sont pour quelques choses. Evoquons quelques aspects de la situation sanitaire de la région Haute-Matsiatra, à Madagascar.
« La maladie se vend », dit-on souvent, justifiant ainsi le fait de porter à la connaissance d’autrui sa propre maladie afin qu’ils recherchent et proposent aussi une éventuelle médication. Le strict respect de la loi sur la protection de la vie privée est loin d’être effective à Madagascar.
Les animateurs de la Radio « Tsiry » - du Diocèse de Fianarantsoa - ne manquent jamais d’encourager les gens à se faire consulter chez les médecins mais toujours est-il que les auditeurs ne manquent pas d’entrer en direct pendant l’émission « Antsihitany » pour demander ou donner des conseils pour toutes sortes de maladies. Souvent, la dose des recettes proposée est approximative.
S’adresser à des guérisseurs ou des leaders religieux ayant des, soi-disant, pouvoirs miraculeux est aussi une pratique fréquente. Certains patients arrivent presque moribonds auprès de nos structures sanitaires car ils se sont faits d’abord traités à gauche et à droite.
Par rapport aux structures publiques les centres de santé de l’Eglise sont plus appréciés à cause de la qualité de service et d’accueil mais surtout de la participation moins chère ; d’où l’affluence des patients de la ville ou d’autres villages lointains. Mais nos structures aussi ont leurs limites. D’où l’obligation de référer certains cas aux structures publiques. Mais les patients n’y vont pas toujours volontiers. On se demande alors : Cela est-il possible dans un pays où les ancêtres ont déjà affirmé la valeur et la sacralité de la vie : « Il est doux de vivre » ; « la vie est comme une bêche unique ; une fois coupée on ne peut plus la souder » ; « la santé c’est la première richesse » … ?
Pour confesser son impuissance l’homme Betsileo dirait : « Aucune eau voudrait ne pas finir son parcours jusqu’à l’océan mais c’est le destin qui l’amène à l’ordure ». Il ne peut pas donc faire autrement.
D’un bien, aussi bien individuel que collectif, la santé est devenue un grand luxe à cause de la paupérisation des gens. Telle pauvreté est très complexe. Or, à Madagascar l’accès aux soins n’est pas seulement payant mais aussi très cher par rapport au pouvoir d’achat. Dès lors qui n’a pas d’argents peut mourir simplement : à cause de la faim ou de la maladie ? On meurt quand même.
Evidemment, entre mourir aujourd’hui et demain c’est sûr que l’on va choisir le deuxième. Alors, entre aller chez le médecin ou se nourrir, l’esprit de survie donnera la priorité au manger. Comment? Où? Bonne chance à celui qui a le courage de s’y aventurier.
Il semble donc que la santé ne soit pas une priorité ni pour les gens ni pour les dirigeants qui ont diminué le fond prévu pour la santé dans la loi de finance de cette année. Mais force est de constater que ces derniers ne viennent même pas auprès des soi-disant « hôpitaux modernes » en cas de besoin mais vont directement à l’étranger.
L’insécurité régnante augmente malheureusement le nombre des personnes ayant besoins de soins. A cause de la distance entre les gens et les centres de santé opératifs, y arriver à temps relève d’un défi ; l’inexistence et le mauvais état du réseau routier n’arrange pas la situation. Mais même si on y arrive à temps, en particulier dans les structures publiques, on est loin d’être tranquille pour différentes raisons : mauvaise accueil, manque d’hygiène, corruption, …
Il arrive souvent que des patients déjà enregistrés disparaissent car ils sont dans l’impossibilité de supporter même le coût des premiers soins. Dans une des structures publiques, pour se faire consulter à l’urgence le patient doit acheter d’abord le dossier, les gants et, après la visite, les éventuels médicaments prescrits. Gare à qui n’y est pas habitué car la pharmacie est presque introuvable sans l’aide de quelqu’un. Pour y être hospitalisé, chaque patient doit se prémunir de draps pour avoir un minimum de commodité. Autrement, il dormira sur un lit découvert et sale. Même l’agent de nettoyage demande « le prix du savon liquide» en contrepartie de son service …
Grâce à l’Eglise beaucoup de volontaires viennent offrir leurs services bénévolement. Leur venue est vraiment providentielle pour les malades indigents qui n’auront presque jamais accès aux soins. Pendant leur présence les couloirs de nos structures sont pleins. Hélas, il n’est pas toujours possible de satisfaire toutes les requêtes. La réussite de ces missions exige beaucoup d’efforts de la part des différentes parties : Faire bien le bien n’est jamais facile.
Dans les structures publiques, bien qu’ils semblent des goûtes d’eau dans l’océan, existent quand même des agents de santé honnêtes. Il faut les repérer et se mettre en contact avec eux afin d’affronter ensemble autant que possible les différents défis. La création de la Commission Diocésaine de la Santé en est une forme de concrétisation. La dite Commission est en effet constituée par des représentants des agents de santé provenant aussi bien des structures ecclésiales que publiques et d’autres entités privés animés par leur foi et/ou leur bonne volonté.
Notre dernière réunion du 3 décembre 2016 a été un moment riche d’échanges et de soutiens réciproques. Durant laquelle on a insisté sur la nécessité de miser sur l’éducation des plus jeunes malgré le paysage très sombre du monde de la santé en mobilisant les membres de la commission à partir de la base.
A évaluer aussi est la proposition de créer une école infirmière catholique comme contribution de l’Eglise à la bonne formation des agents de santé. L’Eglise devrait se laisser interpellée par le nombre toujours croissant des écoles infirmières privées ; qui, bien que suppléant à l’insuffisance des agents de santé, ne correspondent pas souvent à l’exigence de qualité.